Tsisy hahakosoka ny fandalovanao (Ikalamako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia voarara, fitia tsy anjara,
Moa fitia adala,
no nosoratan’ny fontsika na dia maro mpahalala ?
Tsy mba nisy fikasana, tsisy voady nilokàna
kanefa isika roa, dia nianoka tokoa ireo isanandrontsika;
tsy antsika ny ampitso.

“Ianao no adala, hoy Izy,
…ny rehetra anie nandalo,
izato ianao dia toa tamana
ho lany andro, ho lany zara”

Saingy nihomehezantsika,
fa nazava fa tsy mora ho an’ny maso tsy antsika
ny mandrefy ny halalin’ito fitiavana ito
diso vala, nibirioka.

Izany isika vaky hehy nahatalanjona ireo namana,
na rehefa izaho tsy hitahita raha sendra disadisa;
tsy niafina izy ireny, nampangain’ ny endrikao.
Irony andro lanintsika tsy miahy izay ampitso
tanivon’ny tontolontsika,
sombim-piainana notazana teny an-tsefatsefan-dravina.

“Ianao no adala, hoy Izy,
fa ny rehetra anie nandalo…”

Fa ireo andro maro nifanesy
tsy hita dia toa lasa taona.
Dia nisy koa ireo nandalo
fa ianao toa teo hatrany.
Saingy tonga ny andro iray
nanirahan’ny fiainana ahy
hita rano, hiova lafy, handranto izay hahasoa
Taona firy no voadia ? … Sivy taona raha atontaly !
Fa ny tsiky sy fitiavanao nanjohy tsy nisy fiafarany,
ka na ranomasina aza tsy nahasakana izany.

“Ianao no adala, hoy Izy,
ho lany andro, ho lany zara…”

Dia iny tonga ny andro iray nanao haody ilay anjara,
dia voatsiahy teo lahy ilay vazivazinao mazàna :
“hotsofin-drano ianao raha sehatra
olon-tena tia anao
ka hanadinoanao ahy,
fa izay rehetra hatramizao tsy nahaovoka niatrika
ny fitomban-dahinao.”
Dia tànanao ny teninao,
izay no naha-ianao anao
tsy nahafoizako anao.

Taona maro aty aoriana,
impiry aho nanontany tena :
“Moa tsapany va re
fa sambatra aho, araka ny faniriany
manana olon-tia sy tiana ?”
Impiry aho nanontany tena,
Manao ahoana lahy ianao,
nandritra izay dimy amby folo taona
tsy nahenoako vaovao ?

Kanjo vao tsy ela akory izay,
nofiko aho namangy anao, toy ny tamin’ny fahizay
Nofiko ianao nandroso, nipetraka nanoloana ahy…
ry lanitra ô,…ilay tsikinao !
ilay nahababo ahy !
io mamiratra anoloako,
mitsiky koa ny masonao mibanjina ahy.

Fa iray minitra fotsiny ihany
dia nivadika ilay nofy;
fa ny hazavan’ny endrikao
tena tsy afaka imasoko nony iny aho nifoha.
“Misy zava-tiany ambara angamba” hoy aho miteny irery,
“Mahatsiaro ahy ve izy sa sao sanatria avelo ?”

Soa fa nisy fandrosoana…
Ka izay mitovy anarana aminao dia nokatsahiko avokoa
…Nidobodoboka ny foko, injao,
tojo anarana sy endrika tsisy hafa aminao.
Dia hoy indray aho anakampo:
“moa izao nalahatrao,
satria efa fantatrao fa tsy hiverin-dàlana aho ?”

Dia natoniko hohatsafaina
Moa ve Izy niahiahy ?
Asa re !
Eny angamba.
Dia toa azoko an-tsaina fa izay ianao izay,
lokilokin’ny hehy indray mahita ahy misahisahy.

Kanjo,
kanjo,
injay tokoa ilay nahiako :
ilay endrikao nazava loatra :
…hay ianao any ankoatra !!!
Izay no valin’ny fanontaniako.

“Indrisy, hoy Izy, tsy eto intsony izy,
na dia satriko aza,
satria haiko fa hahafaly azy,
raha hotantaraiko aminy izao resatsika izao”
(ehhh, raha mba fantatrao !)

“Eny, hoy aho, raha teo izy
(mety ho niontana ny fony
amin’ny segondra iray hanononanao ny anarako,
saingy izy hiezaka tokoa hilamina sy tony)
ka hiaraka hitsiky ireo masony sy molony
raha notantarainao azy izao resatsika izao.”

Dia nitsiky teo ny molotro,
ny ranomasoko nijojo,
nefa ireo hehintsika toa nanako tao am-poko.
Fa nitamberina indrindra, ka nampionona avy hatrany,
atao ahoana ny hanadino, impiry ianao nianiana hoe :
“tsy mba hisy hahakosoka
fa tampisaka miraikitra
sy voasokitra amin’ny fiainako
ny fandalovanao”.
(“Ton passage dans ma vie est indélébile” – sic)


9 septambra 2009, Roma
--------
Rohy:
2414 2
Hevitra mandeha
hery ( 16/08/2012 09:40)
Mahery io rehefa latsa-paka :-)
arialy ( 16/08/2012 09:48)
tsara loatra izy izany, tantara be
fahamarinana ( 30/08/2012 07:21)
Tena lalina mihitsy ! Ary hay tokoa misy fitiavana toa vita tombokase, tsy afaka mandrakizay ! Oay fa efa miala amin'ny laser hoe ireny an, hono :p
Misaotra nizara e e e! Manaraka koa o ?
Faha
Mijamiary ( 17/09/2013 11:06)
Hoy i zoky RADO hoe:
"Fa na hianavaratra na hianatsimo
Ny tsiaron'ny foko tsy lefin'izay
Totofana foana kanefa tsy adino
Akimpy ny maso fa hita ao ihany"
ikalamako ( 24/09/2013 07:56)
eny iky...
raozigasy ( 24/09/2013 22:40)
ny lasa mitamberina ??
ambina tsingerina
tsiahy manodim-panina
ilaozy fa tsy vanona ...
raozigasy ( 24/09/2013 22:40)
ny lasa mitamberina ??
ambina tsingerina
tsiahy manodim-panina
ilaozy fa tsy vanona ...
Tsikisariaka ( 26/12/2013 07:51)
tsy mety maty ao am-po ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103