AKANIN'NY KAMBOTY (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKANIN'NY KAMBOTY

Mangina ny ao an-trano
manjombonjombon-dava
maso vonton-drano
tomany zany tava

Izoky efa sasatra
nitady izay hohanina
mitsiky na dia fantatra
fa mitady ho fanina
solon-dray tsy satry !

Ilay vaviaivo kely
manokona sosoa
mandimby lay reny
lasana tsy hifoha

Izandry etsy am-patana
manao tsipitik'afo
sy minono tanana
miandry ny sakafo
raha fantany, hono, mantsy ...

Jiro kely tokana
anaovana entimody
Ny lamba irakofana
lamban'ny kamboty !

ikaloyna
12/07/14
--------
Rohy:
1382 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 17/07/2014 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123