IZAHO SY IANAO (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO SY IANAO

Izaho ilay
Ilay osa sy mahantra
Marary sy mijaly
Misento sy mosary
Irery ka dia ketraka
Kivy fa nohosena
Nariana sy nNilaozana
Tomany fa tsy tiana
Natosika mijaly
Misento fa kamboty
Very satria nailika
Rendrika sy resy

Ianao ilay

Ilay matanjaka sy manana
Salama sy tomady
Faly sady voky
Maro namana
Mahery sy tsy kivy
Nasandratra, tadiavina
Notambazana, Nifaly
Notiavina, narenina
Nosakambinina, finaritra
Notantanana, mitsiky
Tafita fa mandresy

ikaloyna vony
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
1106 0
Hevitra mandeha
mpisotrtoaka ( 29/01/2015 05:28)
Tsara ry ikaloyna vony a ! Za ihany ity e
vonynive ( 12/02/2015 13:54)
izay ilay fiainana e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 28/07/2014 14:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104