Mamin'ity peniko (ikaloyna)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamin'ity peniko
hikorisa hatrany
anaty diarinao
hanao kisarisary,

satrin'ity sodiko
hanaraka eny ihany
ny hirahiranao
manainga ny vinany,

lalain'ity fanalako
hanilo sesilany
ny trano bongonao
tsotra nefa mamy

Ikaloyna
09/10/14
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1090 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 09/10/2015 14:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136