SOVA MOMBA NY " FACEBOOK" (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOVA MOMBA NY " FACEBOOK "

Vaky ny sôva momba ny " facebook " :
Tekinikam-bazaha avy tany ho any.
Mpampita vaovao maneran-tany.
Hafainganam-pandeha ts'isy ohatr'izany.
Ny hafatra anatiny tsy mety lany.

Tsy mifidy na an-trano na eny an-dalana.
Na solosaina na finday atao an-tanana.
Na sary na soratra hita ao daholo.
Na zaza na vantony na fotsy volo.

Varotra, asa, zava-mahasoa.
Ny mpitovo ao mifidy 'lay andrian'ny fo.
Ny manana mitady " 'zay ho faharoa "
dia mody hoe " mpinamana " izy roa !
Mba mailomailo re ramatoa !
Tandremo sao tezitra izay voa an !

Ikaloyna
08/02/15
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
5170 1
Hevitra mandeha
vounji ( 22/02/2015 11:50)
marina ny anao fa tsy mba diso
fa misy ny mpanao resaka masiso
rehefa tratran'ny tsy hanaiky diso
fa lazainy hoe ny saka ihany no piso

misy ireo manana milaza ho irery
ato anaty fb izy no mijery
namako, namako, ao no miery
nefa toetra lomorona mahavery

ato koa ny mpitovo no tsy mihafy
miezaka miboridana tsy mitafy
ireo bika aman'endrika no hafafy
tsy eto an-toerana ihany fa hatrany an.dafy
mulan920 ( 25/02/2015 07:21)
Marina mihintsy izany rehetra voalazanao izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 22/02/2015 06:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104