TSY MISY ISIKA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY ISIKA

Tsy misy mety mino ny tonom-betso tsotra
Voarangotry ny penina miaty ranomainty
marihitra tantara
"tantaram-mpinamanana" ny olona eto an-tany

Tsy misy te hanaiky ny hitsin-tondrozotra
voasoratry ny lahatra nametraka tsy maintsy
ho mbola soa fiafara
raha mbola olombelona, f"izany no lalàny

Tsy misy mety resy lahatry ny hiakan'ny madinika
mba te-hidradradradra nefa sasatra voatsira
na soa na ratsy atao
rehefa olombelona nateraka ho voafetra

tsy misy te-hihaino ny lentan-dinitsika
ny fitsara-mitanila
raha mitaky zo vaovao
sahaza ny hasasarana nalaina an-terisetra

Fa AMINY... raha misy olon-droa mifankatia
ivelan'ny mba fantany ho hany azo itiavana
dia....halatra no dika
an-kevitra sy an'asa mba azo atolotra azy
ka aminy tsy maintsy, raha toa miara-dia :
tsy maintsy mifandoto, re'fa hoe tsy mpihavana
mifampidera bika ?

Fa AMINY.. raha misy be fitiavana hanondrotra ny namana
dia lazaina fa mpanongana
ny ambony fahefana
ka mendrika rahonana
voaheloka, voasazy...

Fa AMINY, raha misy sahy mijoro
hilaza ny tsy rariny, manongatra ny marina
dia hatao mangorohoro
k'izay sisa kely antanana
tsihifina, tsihifina...

fa AMINY, isika dia mpanonofy atoandro
mirediredy foana
mpigoka sa mpifoka ,
ambadiky ny rotaka sy mpitarika sakoroka,

"ZANY" no mba hainy (dia ireo olona masiaka)
Ny hany fara-tazany dia izao TSY MISY ISIKA
.. Sa iniana hofoanana ,
na odiana tsy mahita ?
Kanefa hoy aho : velona ny tsy fisiantsika !

ando sy vony
(diary voatahiry 1998)
--------
Rohy:
890 0
Hevitra mandeha
vonynive ( 02/05/2014 13:28)
(tohiny)

fa AMINY, raha misy tsy maniry hanombina
ny anjara izay efa natao ho an'ny hafa
na lavitra na akaiky
dia izy no ilay vendrana
ka tokony ailika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 17/04/2014 06:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143