ANAO AHO (Ilay Tia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ora toa inona na fotoana manao ahoana
Ilay angolanao no mandrotsirotsy izany foko
Ilay tsikinao no mampitony ny tolokoko
Alahelo lava anao embona tsy mety foana

Fa toa feno anao ny fiainako
Toa zary ianao foana no mibaiko ny ataoko
Adinoko ireo zavatra fanaoko
Fa ianao no mibahana ny fisainako

Amiko ianao no izao rehetra izao
Amiko ianao no fifaliako,ianao no hasambarako
Eny amiko raha maty aho ianao no tiako hamelona ny anarako
Amiko ny tontoloko rehetra no tiako anilanao

Fa tena tiako ianao tiako toa sarobidiko
Tiako ho ahy ianao tsy atakaloko tsy amidiko
Eny,dia ho anao aho ho anao tsy misy fetra
Ary ho ahy ianao eny ny aminao rehetra
--------
Rohy:
1611 0
Hevitra mandeha
arseneinlove ( 21/12/2017 17:34)
Tokam-po aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay Tia
Nampiditra : arseneinlove
Daty : 21/12/2017 17:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152