FA MANINONA - ilery

Mpanoratra : ilery
Nampiditra : ilery7
Date: 02/07/2009
Mpamangy : 234
Isa : 5
Fidio :







fa maninona ny revy no tsy mety ritra,
fa maninona ny fitia no zary mampaditra,
fa maninona 'lay tiako no tsy mbola hitako foana,
fa maninona aho efa mitrongy nefa mbola maty noana?

fa maninona izay jereko toa favo avokoa,
nefa maninona ny fiainako toa mampamoy fo,
fa maninona izay mikasika ahy toa sambatra hatrany,
nefa 'zaho tsy mety mahita 'zany hasambarana izany?

fa maninona ny tany no miodina tsy ankiteniteny,
nefa ny bandy rehefa miodina toa voateniteny,
fa maninona ny lanitra jerena toa mangamanga,
nefa ny fiainana an-tany toa mbola misy banga?

fa maninona ny fitia no mitobaka eny an'arabe,
fa ny ato an-trano raha tsy mankaleo dia mampihomehy,
fa maninona aho no tsy tamana amin'ilay vita voady,
fa maninona re no dia mangidy izany manambady?

fa maninona ny fanontaniako no tsy mety misy valiny,
fa maninona ny fiainana no tsy mety misy maminy,
fa maninona raha mangina aho dia misy manontany,
nefa maninona aho raha miteny dia tsy henoina hatrany?

Hevitra mandeha

endrika01 (02/07/2009 09:50:15)

Fanontaniana tsy mety ahitam-baliny ve.
Je me suis souvent demander
Pourquoi certains sont affamés
Quand d autres meurent de trop manger.
Je me suis souvent demander,
Pourquoi les roses de L ete
,Etaient arrachees par milliers
pourquoi les arbres etaient coupés
Quand ils avaient mis tant d années ,
A grandir pour nous protéger!!!!

aina77 (03/07/2009 08:42:19)

milay lesy ah!

Hametraka hevitra

Midira aloha