FITIA DONAM-BARATRA - ilery

Mpanoratra : ilery
Nampiditra : ilery7
Date: 01/07/2009
Mpamangy : 209
Isa : 4.5
Fidio :







Tsy haiko ny hamehy ny foko tsy ho tia,
Tsy haiko ny handrara ‘ty foko adaladala;
Te hanambara sy hitory ilay fitia,
Hambabo anao akia, mba ho hany malala!

  Tsy hitako anefa izay teny mba hindramina,
  Ho entiko milaza ity vetso mahafanina;
  Fa toa ngeza makadiry izany fitia ao anaty,
  Mampidoboka ny fo, migodogodona tsy tanty!

    Ny hany azoko natao dia nibanjina anao
    Nanofy vetivety, ny hoe ho malalanao,
    Ka velon-tsiky irery, tsy hay hoe nahoana,
    Nangina tsy naha-teny fa nijery anao foana.

      Nefa tsy haiko nafenina ka aleo dia tenenina
      Ka ho averiko aminao in-dimy in’enina,
      Fa ianao no inoako, ho ilay silaka fanahy
      Tiako, tiako ianao, amin’ny fo tena sahy!

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hevitra mandeha

Zozoro (02/07/2009 13:57:00)

Aza hafenina sao mandratra...tiako ny vetsonao.

felandefona (03/07/2009 09:12:20)

avoahy fa fitiavana izany tsisy maharatsy an'izany sady tsisy bedy koa satria vokatry ny fo

chrislyd2 (04/07/2009 11:05:48)

Kanto dia kanto le tononkalo !
Fa zao : ho an'ny lehilahy misalasala mamboraka fitiavana ôtran'lery io zany, dia aleo ampiana tosika kely hoe : tonga dia tairo na ho any na tsy ho any fa aza mampijaly tena am'izany ! Ilay fitiavana ange mankarary fo sy mankarary an-doha rehefa tsy avoaka e ! Tsy mampitombon-tsiraka mihitsy. Sa tsy marina ary ve zany ?

Hametraka hevitra

Midira aloha