ILAY RAOZY ANY HO ANY - ilery

Mpanoratra : ilery
Nampiditra : ilery7
Date: 01/07/2009
Mpamangy : 216
Isa : 4.7
Fidio :







Indrisy fa malazo ilay raoziko hatrizay
Ny felany mihintsana, ny tahony toa may;
Ny fofony manitra no hany sisa reko
Izay ve no anjara ka tsy maintsy ekeko?

  Tsy ny andon’ny maraina no mandravaka ny felany
  Fa tomanin’ny taraina, setrin’ny alahelony;
  Ny masoandro mamiratra toa zary mahajambena,
  Dia mikimpy hono sisa no hany fahendrena.

    Tsy ekeko, tsy ekeko, raha izany no didy
    Fa ny tsara safidy, tsy migoka ny mangidy;
    Ny mamy ato anatiko no maniry anatinao,
    Izany ve dia tsy ampy hahasambatra anao?

      Etsy moa izany raoziko, mba ho safosafoiko
      Ny felanao matroka, mba ho lokolokoiko
      Ny ravinao maintso, mba hialokalofako
      Ny molotrao maina, etsy akia orohako


      ilery
      Jolay 2003

Hevitra mandeha

tsiambaratelo (02/07/2009 05:52:39)

Kolokoloy tsara ary lay Raozy e,

Zozoro (02/07/2009 13:52:46)

Mankasitraka. tena hainao ny milaza ny fitiavanao azy.

endrika01 (10/07/2009 16:38:29)

Fa aza atao maro loko !

endrika01 (10/07/2009 16:39:18)

Fa aza atao maro loko !

Hametraka hevitra

Midira aloha