SILAKA FANAHY - ilery
Raha ny masoko no nisafidy
Mety ho hafa fiantefa,
Raha ny saiko no nandidy
Mety ho diso safidy,
Fa ny foko no nahalala
Fa ianao ilay malala,
Silaka fanahy
Notadiaviko hatrizay
Raha teny no entiko midradradradra
Ny vetsom-poko androany,
Dia tsy ho ampy sy tsy hahalaza
Ny fitiavako tsy mety lany;
Fa indro pera-tsarobidy,
Ho marika fa ianao no finidy;
Ekeko ho malalako doria,
Hiara-hanandratra fitia!
ilery
Jolay 2008
Tononkalo hafa
FA MANINONAFETIN NY TSIAHY
FETIN’NY TSIAHY
FITIA DONAM-BARATRA
ILAY RAOZY ANY HO ANY
TOVOVAVIN'IARIVO
ANJARA
MALAHELO AZY
FITIA NOFINOFY
NY TSIKINAO
Hevitra mandeha
fahamarinana (02/07/2009 20:56:12)
Tsara zany tononkalo zany an ! Tena izay izany ilay hoe nahita ny silaka fanahy !Fa angamba tsy ny rehetra no mahita izay !!!....Mahalasa saina ihany !