TOVOVAVIN'IARIVO - ilery

Mpanoratra : ilery
Nampiditra : ilery7
Date: 01/07/2009
Mpamangy : 109
Isa : 0
Fidio :







Raha toa ianao ka sambasamba
Mba hitsidika an’Analamanga
Dia izao no tsiahivo
Mbola hafa ny tovovavin’Iarivo

  Ireto izy maro karazana
  Ny avy lavitra aza te hitazana
  Fa hoe tovovavy tena soa
  Hany mambabo ny fo

    Mamerovero toy ny voninkazo
    Na zato taona aza tsy halazo
    Ireo no ravaky ny tanàna
    Mahavariana sy mampihanahana

      Iza moa no tsy ho taitra
      Amin’izato bika tena raitra
      Ny famindra amin’izay
      Amboarina ho tsikaritray
    
        Izato endrik’anjely
        Dia tsy hadino velively
        Toa mampanontany tena
        Iarivo ve no edena?

      Ho anao mpitovo io
      Izao ihany no tadidio
      Raha hitady ilay anjara
      Ao iarivo be ny tsara

      Ilery
      Aprily 1998

Hametraka hevitra

Midira aloha