RAOZY POETIKA (ILIMIM JIVISDI)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao tontolo izao noravahany avokoa
Navelany otazana ny aminy rehetra
Ny hakantony rehetra hatrany anaty fo
Ho porofompitiavana 'lay tsy ahitana fetra
Kanefa dia tsy ho haiko ry raozy poetikako
Ny hioty izany fony amin'ny teny Tiako ianao
F'Andalana ankiray mamonto izato kintako
No Endrim-pitiavana mitoetra anatiko ao
Indro fa tolorako ny tànanao ny tànako
Dia akimpio tsimora sy manatona mora
F' homeko anao anio Ilay Raozim-pahasambarako
Eo imolotrao ...Fa Hiadana fihodina ny famantaran 'ora
Sy izao tontolo izao...


ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1385 7
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 12/02/2016 15:00
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015