SARO-KENATR'AHO (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA HOMENA TSINY AHO
RAHA SARO-KENATRA AMINAO
KANEFA, raha hakipinao ny maso
Tsy hibanjina ny tavako
Raha fihininao ny tanako
Hilazako ny ao am-bavako
Dia ho tsapanao ny ratrako,
Fa raha hondananao ny tratrako
Dia angamba ho tretrika aho,
Dia angamba ho tsapanao
Izay hafenimpeniny ao,
Dia angamba mety ho mora
Fa raha foananao ny ora
Ka izaho sy ianao ihany
No hitoetra ambon’ ny tany,
Dia tsy hampaninon’ahy !
Fa amin’izay fotoana izay
No hamborahako fitia
Nokoboniko efa ela…
ENY, SARO-KENATRA AHO
NY HILAZA TSOTR’IZAO
FA TENA TIAKO IANAO.


[ILIMIM JIVISDI]
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1159 0
Hevitra mandeha
ernest15 ( 04/01/2016 16:27)
tsara an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 21/12/2014 15:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102