Aza atao toy ny ahy...! (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza atao toy ny ahy...!

Izaho raha nitia
Diso latsa-paka loatra
Hay ilay fitia
Maherihery tafahoatra

Izaho raha nitia
Diso nanao am-po
Hay ilay fitia
Tsy halalana 'zany soa

Izaho raha nitia
Nanome lanja izany
Hay ilay fitia
Mampirotsaka tomany

Izaho raha nitia
Lasa adaladala kely
Hay ilay fitia
Mampikanikany irery

Izaho raha nitia
Dia niainako tokoa
Hay ilay fitia
Mety ho rendrika sy hikoa

Izaho raha nitia
Tsy nahay nangina
Hay ilay fitia
Tsiambaratelo no hitafiana


Raha mitia ianao
Aza atao toy izany
Fa dia jaly sy talaho
Ndrao hamoy fo ihany

Raha tojo ny tsy tanty!

Iony R.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1950 1
Hevitra mandeha
vetsoko ( 13/12/2005 14:29)
Tsapako ny lesoka
fa fitia tsy nifamaly,
Ka nanokatra ny fery sy ny ketoky ny jaly.
Na izany aza anefa
aza mandositra milefa
fa fahasoavana mirotsaka
ny fitiavana mitobaka.

...Tsoa
Iony ( 14/12/2005 10:20)
Ts hoe fitia ts nifamaly ry "vetsoko" ny ahy fa tsapako fotsiny hoe mampijaly raha diso tia loatra satria ts fantatra zay fivadiky ny tantara.
hasiniony ( 21/01/2006 08:36)
Fa io fitiavana io hiaka sasakalina
manaitra torimaso
Ny dinan'olondroa mifehy azo toa an-dramalina
Dia lavitry ny ankaso!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095