Fitia maramara (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia maramara

Raketiko ho tantara
Ilay fiainako tomany
‘Zay nekeko ho anjara
Farangidiny eto an-tany


Raketiko an-tsoratra
Fa tsy tantiko babena
‘Ty foko mampangoraka
Toa tena mampahonena

Anjara , tsy safidy
Ny fitia ranomaso
Tsy ny foko no mandidy
Ka hifidy ny ankaso

Eny, zakaiko mangina
Fa dia mafy tsy ho tanty
‘Zany anjarako ry tiana
Tsy eo anilanao no hiafy

Mirary soa anao
Hahita ‘zay anjara
Fa tsapako izao
‘Lay fitia maramara

Ifonako etoana
Fa tsy niniako natao
Andriamanitra no nisy
Nampahafantatra ahy izao

Tsy diso velively
Ny fihevitro fa hay
Ny foko manirery
Izay fotoana ela ‘zay

Aza asinao alahelo
Ny ranomasoko mijohy
Mahazatra anao raha teo
Ka aleo izany hitohy

Marary be ny aiko
Nefa lazaiko anao
Fa sambatra ny saiko
Noratraina be izao

Iony
(13/02/2010)
--------
Rohy:
2050 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096