You are here: home > Vetso

Manina..! - Iony

Manina...!

Any ho any
lavitra any
Tsy eto anilako
ilay silako
Fa izaho
manirery
Mitalaho
Tsy ampy hery
Malahelo
mitomany
Mamelovelo
Tsy hita ihany
Sasa-miandry
ilay tiana
Tsy tafandry
fa mangina!

              Iony R.

Sokajy : embona, Fitiavana

Hevitra mandeha

Fenohery (07/01/2006 10:30:01)

Aza kivy
izato izy
raha raha hanina
ny olo-tsy mba manina
indro ny aiko
fa ho efaiko
izay tsy vitan'ny
visavisany
sy ny fitiavany
nanadino "ny havany"

Hametraka hevitra

Midira aloha