Fa Jesoa no miahy (Iriantso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay rehetra mety ho ilaiko
Sy izay mety ho andrandraiko
Dia avy amin'ny Ao ambony
Nohon'ny famindram-pony

Izay mitranga amin'ny fiainako
Mampanahy ny fisainako
Dia apetrako amin'ny Tompo
Ka tsy mba manahy ny foko

Mety ho tsy ampy, mety hihoatra
Mety hihemotra, mety hivoatra
Fa izany tsy hahasakana
Raha Jesoa no mitantana

HE milamina ity foko
Faly afaka toloko
Tsy matahotra tsy manahy
Fa Jesoa no miahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1098 1
Mpakafy: Iriantso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iriantso
Nampiditra : Iriantso
Daty : 22/08/2014 14:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014