I amalonkely (Ivetso)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitsoriaka, nitsoriaka i Amalonkely.
Nanarin-dray sy reny nefa lasa ihany.
Izany fitsoriakany tsy hita velively ;
Gaga izay nahita ka nifanontany.

Tsy tana, nitsoriaka i Amalonkely.
Mba te-hiaina, hono, ka dia nitsoriaka.
Nidehadeha ery, ny lazany niely,
Izay nananatra azy lazainy ho nasiaka.

Dia nitsoriaka foana i Amalonkely,
Handeha hikandra, hono, fa tsy zaza intsony.
Izany fitsoriakany tsy hita velively,
Na rano ho maria, na mety koa ho tony.

Dia nitsoriaka hatrany i Amalonkely.
Henika azy avao ny dobo manontolo.
Mafy loha, tsy laitra, ny lazany niely,
Ireo namana nahita nananatra daholo.

I Amalonkely dia hazandrano ihany.
Ny hevitra sy fika dia tsy mety lany.
Tia miriorio sy mitsoriaka hatrany
Ka taty aoriana dia matin’ny hadalany.

Fa I Amalonkely dia angano ihany,
Tian-dray sy reny, tsy foin’ny rehetra,
Saingy be di-doha, mpamalivaly izany,
Mahery vaika ery sy fatra-pisetrasetra.

Fa ny hetahetam-poko ho anao dia izao :
Aoka tsy hirehareha foana raha mavitrika
Fa handinika sy hisaina izay rehetra atao
Ka hijery tsara izay diavina tsy handitsoka.

Fa malama maina ny fiainana eto an-tany,
Isika ihany koa dia tsy ho tomady foana.
Raha tsy misaina tsara, handrora mitsilany
Ka hitsara antsika hatramin’ireo goana...


Ivetso
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
2399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ivetso
Nampiditra : Vetso
Daty : 30/12/2003 13:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143