LOUISIANE (Ivetso)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tantara noforonina
Fa zava-nisy, tena nisy
Aiza ve ka ireo mponina
No lasibatra ? Indrisy !

I Katrina no fiantsoana
Ilay rivotra nifofofofo
Izay tsy hita hatao ahoana
Be di-doha, tia anjolofo

Mahita faisana ny trany
Tratry ny tsindrio fa lavo
Tsy mifidy izy amin'izany
Na manana na mavomavo...

Efa mba niezaka tokoa
Niasa ary koa nihary
Kinanjo ankehitriny voa
Rivo-doza tsy manjary !

Ary nanampy trotraka
Ny fibosesiky ny rano
Nianjera sy nihotsaka
Nikorosy koa ny trano

Nafoy ny aina sarobidy
Sy ny tontolo nahazatra
Tena mangeroka, mangidy
Fa voin-kava-mahatratra

Moa tsy azo nosorohina
Ny karazam-boina toa izao ?
Ny fo onena sady tohina
Inona no tokony ho natao ?


Frantsa, septambra 2005

Ivetso
--------
Rohy:
2206 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ivetso
Nampiditra : Vetso
Daty : 15/09/2005 18:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106