HALAZAKO IANAOkambony i (IZY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HALAZAKO IANAO

kambony izany,
fa lasany tany ireo teny mamy
kambony izany,
fa nalainy daholo ka nataony bontolo
ireo sisa tavela,
nalainy ambongadiny
tsy nisy natsangany,
norombahany kanjo e
nataony ankisesika
nataony be ambosika
ka indro jereo
tapitra;
ringana;
pokaty;
tsy misy e !
Na sombimpitiavana
na kaokampitia
ripaka;
lany e !
ho alazako tsara
amin'ilay olontiko ianao ry mpandalo
fa naka tsy niera
izay hany valera
mba sisa fananany
ka ho alazako tsara
amin'izay ho bedesiny
ho ataony mahita,
sy handraingiraingy
ho alazako tsara.

IZY
22/03/16
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
877 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IZY
Nampiditra : IZY26
Daty : 29/04/2016 11:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141