'LAY (J.J.F.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Lay

Zary toa nofy tokoa ‘zany lasa
‘Lay lasa niarahana tan-nilanao
Ireo teny maro toa zary nandatsa
‘Lay latsan’ny feriko anatiko ao

Toa kivinavina no sisa manonja
‘Lay onja navelan’ny fahatsiarovana
Ireo tsiky mamy toa tsapako fonja
‘Lay fonjam-pitiavana izay nolalovana

Asa raha toa ianao mbola mitsiky
‘Lay tsiky mpambabo ny fo sy fanahy
Asa raha toa adi-tsaina mikiky
‘Lay mpikiky ny fonao raha toa mahatsiahy

Tsy laviko izany kanefa tsy hita
‘Lay ts’hita tadiavina any aminao
Ny antsika tokoa moa efa toa samy vita
‘Lay vitan’ny lahatra ka tsy azo atao.

15 Aogositra 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : J.J.F.
Nampiditra : J.J.F.
Daty : 25/12/2014 21:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146