You are here: home > Vetso

a.j.ulrich-vts

tsy mba
_tsy mba fihetsem-po no entiko manoratra
fa efa finiavana ny te ho mpanoratra
tsy mba hatairana vetivety no te hitetateta
fa efa faniriana ny ho lasa poeta
_tsy mba faniriana mandalo ka hoe andeha
fa efa nomanina ny lalana haleha
tsy eritreritra miserana no entiko ventsoina
fa efa aingam-panahy tsy mba nantsoina
_tsy mba ilay vetso no nantsoiko ho mena
fa ilay fitiavako ny te ho mena
efa nilofika tao amin'ny olon-tiako
ka ho ao mandra-maty no faniriako
_ tsy mba ilay fianarako no nanosika ahy hanoratra
fa ilay fitiavako an'ireo efa voasoratra
ary ity tononkalo izay vetsoiko ity
tsy mba natakalo fa efa ahy ity

Hametraka hevitra

Midira aloha