Dify izy (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto am-panomanana ny dia
Hitety izao tontolo izao
Dia rava ho azy koa satria
Ny vintan-dratsy no injao

Nopotehiny sahady
Ilay maitso volo tsisy tsiny
Tsy mba afaka niady
Fahafatesana ho difiany

Toa minitra vitsy monja
Tototry ny handry tany
Kepoka iray nafonja
Nanako any lavitra any

Tsy misy iray izay tsy nadre
Fa maty hono ilay sakaiza
Horohoro bediabe
Feo niely hatraiza hatraiza

Malahelo mitomany
No nameno ny andro iray
Fa dia sompatra ny tany
Dify ny olo-manganay

Oh!Mahereza re ry Gasy
Tombon-dalana ny azy
Ny mozikany atsy ho atsy
Hamelombelona ny tsiahy

Mandria am-piadanana ny Felly
Izahay mivavaka ho anao
Ilay Ray mpankahery
Hampitraka ny havanao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1732 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 27/05/2015 10:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104