Mitory fitia (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitory Fitia
L-Azafady re ry Ise !
Hadisoako ve ny hitoetra anilanao?

V-Azafady indrindra!f’iza moa ianao?
No miseho mahalala ka hamorona tahala?

L-Izaho ihany ity!Miarahaba anao
Ilay nanaradia hatrarỳ ka hatratỳ

V-Azafady Ndrematoa
Fa tsy misy haiko ,na ny anaranao,
Ka mapiasa ny saiko,ny fanakananao

L-Indro aho hilaza raha havelanao
Ny fomba anankiray ,nampirehitra ny aiko
Sy nampitambolona ny saiko

V-Miala tsiny raondriana,ndrao mandany jiro
Ny fotoana koa ho vidiana lafo
Ka ny toro-hevitro,aza dia misangy afo.

L-Izay afo izay no tiako holazaina…
Omaly ianao nandalo teto anoloana
Ka nampiady mafy ny foko sy ny saiko
Nampisy hery hafa,tsy haiko tantaraina

V-Mampihomehy ahy ianao ry tovolahy!
Topi-maso monja ve ,sy fandalovana tsinahy
Dia ampy handatsa-baratra,…Tena mampanahy!!!

L-Marina tokoa Topi-maso monja
Fa toy ny zato taona ary koa nafonja
Raha vao nahita anao,avy hatrany ny nirongatra

V-Tsy dia mahagaga loatra ianareo lehilahy
Fa mazana tokoa ,raha hilaza angano
Sady efa be ny tapitr’ohatra
Raha hamitaka tsy Vanona

L-Sanatria amiko ry Ise
Ny hamitaka anao
Tovovavy tsara,bikàna sy tarehy
Izao ve hoy ianao dia atao ankilabao?

V-Oh!Ramose ,Ambarao malaky
Ny tianao hambara,fa dodona sy maika aho
Hamonjy ilay malala

L-Azafady! Fa loza inona ,ity hambaranao?
Hamonjy ilay malala?
Fa angaha ianao efa manan-tompo?

V-E,e,eh!ny kapoaka mangidy aza efa nosotroiko
Ka raha izay lehilahy no mbola hanadala
Milatsiny aminao,mialà dia mandehana.

L-Andray kosa!aza dia masiaka
Fa ny tenanay angaha moa mpitatasiaka?
Sa heverinao mpijoko mitsoriaka?

V-Iray minitra monja no omeko anao
Mba hilazanao ny aty fonao ao
Sa ve tsy renao fa maika ho’aho ty ‘zaho?

L-Vahotra ny vavako ,mangovitra ny molotro
Tena Tia anao aho,fitiavana anaty tsy antendro molotra
Fitiavana mandrakizay,izay no atolotro

V-An!!! Tena Tia anao ...
Voambolana faheno sy miverina matetika
Ianareo lehilahy misarina tsipolitra
Vao seranim-bavy dia taitra tsy maharitra
Raha fitia kilalao,tsofy rano aho handeha
Fa efa tena leo sy sasatra miaritra

L-sanatria!!! Ny fitia omeko anao tsy ranontrambo
Na Fitiavana antemaka ,ka resin’ny atambo
Fa Fitiavana doria,tsy vasoky ny taona
Toa volamena ankosotra malia

V-Rediredin-dehilahy ve ,no andeha hivadiana ati-doha
Aleoko re mahala sahala,misaramaina tsisy voa,
Fa raha ny langonao,Tsy hamakiko loha

L-ȏ!ry tovovavy ,aza hilaozanao
ȏ,mba raiso re,ity foko mitalaho
Tsy mba hatramin’ny ela aho no nanao toy izao
Iza moa ty anaranao?
V-Felana!...

L-Felana! Raha mba sitrakao ny hamony sy hivelatra
Ny atỳ tany lonaka,tsy hamela anao ho reraka
Tiako ho ahy ianao,ary ho mandrakizay
Ka raha sitrakao,Isika ho iray,hifanolotra fitia
Mandra-pody any amin’ny Ray.

V-Tia ahy ianao?
Ahoana tokoa moa no ahazoako toky
Fa nisy lehilahy iray nandalo teto amiko
Dia nitory koa Fitia
Sao hamono antoka,ka hanary ho doria
Tsy sanatria aho akory,ravin-kazo maina
Ka hihintsana tsy halaina,raha sendra tovolahy
Manozongozona maraina

L-Raha ianao no lasa vadiko,
Tiaviko mandrakizay
Ny zanatsika fito roa
Fa tsy mba anakiray
Dia omeko anao daholo
Izay rehetra tianao
Izaho no matsaka,ary maka ny kitay
Izaho miantsena,sy mamelatra ny lay
Dia manambady sisa no ataonao
Ny famelomana ny ankizy koa tsy hifanjanako aminao
Tokantrano sambatra raha toa ka sitrakao.

V-Raha marina avokoa izay voalazanao
Etsy aho mba tantano sy hanaovy teny mamy
Dia ny lanitra faha fito,fa tena tiako re izany

L-Sambatra aho ry tany,fa notoloranao
Vonikazo iray,tsy halazo na oviana
Fa tafahaona koa ny tia sy ny tiana
Felana!...raha toa ka sitrakao
Etsy omeo ahy izany molotrao
Fa tena tiako ianao

V-Izaho koa tia anao
TAPITRA (Anjara 21/11/14)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
32025 4
Hevitra mandeha
nisi77 ( 01/06/2016 10:27)
Mafinaritra fa izany hoe ny kanto toy ny fampiasana ny RIMA no mila ezahinao trandrahina tsara. mankasitraka e!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 11/05/2015 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155