Ny eo anilanao (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny eo anilanao

Rehefa eo anilanao aho
Dia mahatsiaro sambatra aok’izany
Tsaroako ho feno ireo banga teo aloha
Izay mampisento,Manery ahy hitomany

Rehefa eo anilanao aho
Hitako mifaly ireo zava-boary
Toa satriny hiaradia amiko ho eo anilanao
Kanefa na dia tsy izany,izy vavolombelona miharihary

Rehefa eo anilanao
Toa vetivety foana ity andro
Mikorisa haingana mankany andrefana any
Ilay masoandro tsy te hiala,hanazava antsika ety an-tany

Nefa na izany na tsy izany
Rehefa eo anilanao
Dia tsy misy ny maha ory fa mamy hatrany
Ny miarak’aminao dia ny hitoetra ao anatinao.

anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1153 1
Mpakafy: JAOANJARA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 17/04/2015 10:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149