You are here: home > Vetso

adinoy - Jayah Razafi

ADINOY
na maloka malala
ny endrikao hotazako
rehefa isika hihaona

na ny  masonao bongo
no sady mbola mando
toa olona misaona

d'izao iky no tsarovy
ny lasa sombiniaina
tantara tsy hovoafafa

fa kosa iniana asitrika
ndrao hanimba zavatra
na hiterak'olana hafa

fa ataoko no fihononana
ny fifanatrehan-tava
hisy eo amintsika

ny tsiahy mitampody eo
toneo sy hampangino
avelao mba hangatsika

koa izao no hany hafatro
omeko r'ilay notiaviko
sy niainako ny mamy

ny antsika efa vita
tapitra tantara,
koa ampangino any

jayah razafi 13/12/16. 21:18

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha