Elakelany (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELAKELANY

iny elakelany iny, tsy maintsy handehanako
mihetsika daholo ny tongotra sy tanako,
iny elakelany iny no lalam-pahasambarako
tsy maintsy hamonjeko ilay ianao malalako

iny elakelany iny, tsy maintsy hodiaviko
raha te hahita ny hasambarana tadiaviko
iny elakelany iny tsy maintsy hovakiako
na dia mafimafy tsy maninona ihafiako

amin'iny elakelany iny,inona hoy ianao no ifantohako?!
tsy misy afa tsy ny ho tonga ihany izay no masaka ao an-dohako
ny ho tonga any aminao ry ilay olon-tiako
ka iny elakela-trano iny tsy maninona ihafiako

jayah razafi 21/03/17 07:35
--------
Rohy:
900 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095