hosodoko (Jayah Razafi)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ilay mpihosodoko,
Mpaka sary anao an-tsaina
Mahita anao ny foko
Na antoandro, na maraina,
Indrindra ny alina mangina
Dia ianao mameno nofy
Manondraka ahy fifaliana
Hanalavitra izay rofy
Fa mamihina anao an-tsaina aho
....
Mamorona paozy ho anao
Sy mampiakanjo an-tsaina
Toy izao indray akia atao
Iroa lamba iroa alaina !!
Asio tsiky kely somary mihorirana
Akaro kely ny volon-dry miraraka
Dia eo aho somokotra, sahirana
Mikaroka ny paozinao manaraka
.....
F'izaho ilay mpihosodoko,
Sy mpampiakanjo anao an-tsaina
Mahazo sary anao ny foko
K'aza tsiny sombiniaina !!
Na tsy fantany aza ianao
dia efa nolalaoviny
Voavolainy mialoha hoe
toy izao no ataoko paoziny


Jayah
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
791 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146