You are here: home > Vetso

isika roa - Jayah Razafi

na misy aky malala
izay olana mianjady
dia isika no mpivady

na misy sombiniaina
izay nahasavolaina
isika hiara-hiaina

na misy retsy tiana
izay mety ho fahoriana
dia zakaina am-pitsikiana

na misy retsy akia
izay zava-mankahia
dia iaraha-mankafia

na misy mpanaratsy
sy maniry anao ho faty
za aky mahataty ah

na misy mpanakora
ihomehezantsika mora
f'isika mahazaka dona

fa raha misy mpankafy
manadala ahy na indry
tsy haharava ilay fitia

jayah razafi 11/12/2016  01:52 Anosizato

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha