You are here: home > Vetso

satriko - Jayah Razafi

SATRIKO

Satriko hotazonina
Ny andro sy ny ora
Satriko hotanana
ny segondra sy minitra

Satriko hozonina
Ireo izay mpanakora
Satriko hofoanana
Ireo tia mitsiriritra

Satriko ho lava
Ny fotoana toy izao
Satriko hitarina
Ny fialanao sasatra

Tsy sitrako ho rava
Ny fitia tsy kilalao
Izay efa novokarina
Ho kanto sady lafatra

Satriko hotovonana
Ny fitia safononoka
Satriko hotavanana
Ny oram-pifaliana

Satriko hotolorana
Anao anaty oroka
hipetraka an-tanana
Ilay mariky ny dina

Satriko ho toy izao
Hoy ny nofinofiko
Kanefa efa eo ianao
Mpanasitrana ny rofiko

Satriko ianao malala
Ho anilako hatrany
Kanefa akia ny fiainana
Tsy vitan’izany ah!!


Jayah razafi 06/01/2017

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha