Izay be fitiavana (Jean honore)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra izay be fitiavana
fa miaritra sady mandefitra
mikatsaka ny fahombiazana
na enjehina tsy mba milefika

tsy mamoha ny zavatra lasa
mibanjina hatrany ny ho avy
tsy kivy hialonan'hafa
n'inonina n'inona sedra mianjady

manasoa lay olo-tiany
tsy mandray ny vavan-hafa
vao mai miha-mitraka hatrany
mitia tsy mba mihafahafa

miezaka ny hampandroso
miezaka mba ho tafita
mikolo lay fitia tsy hiofo
mampitombo ny soa efa vita

fitiavana tsy misy takalony
madio tsy mba misy sarany
mitia am fo sy ny anarany
tsy misaraka h@ farany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
853 1
Hevitra mandeha
ratovonirianajeanhonore362 ( 03/01/2019 13:50)
Mba nahafinaritra ahy!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean honore
Nampiditra : ratovonirianajeanhonore362
Daty : 03/01/2019 10:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136