Eritreritra Fahavaratra (Jean-Joseph Rabearivelo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eritreritra Fahavaratra

Mijononoka moramora ny orana avy hariva,
Ny alina madiva,
Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,
Ka hitondra any ho any...
Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy
Toa reraka, manahy?
Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao
Izay mameno, no injao
Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina
Toa rano nafanaina?

Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory
Ny jiroko. Matory
Izay rehetra manoloana ny masoko mahery.
Aiza ho aiza no miery,
Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
Avia mamoaka feo,
Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
Izay tena teninao,
Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy...
Mitenena, ry Fanahy.

Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany;
Mangina koa ny tany,
Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony,
Tsy misy tsy mba tony...
Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be
Ny fitiavako handre
Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra!
Tsy mbola tena sambatra,
Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina
Ka he! mitaintaina!

Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva.
Ny andro dia madiva
Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany
Ka hamerina avy any...
Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy
Toa trotraka, manahy?
Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao
Izay namonto, no injao
Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina,
Toa rano nafanaina?

J.J. Rabearivelo
(Kalokalo Tatsinanana)
--------
Rohy:
13018 4
Hevitra mandeha
hasiniony ( 10/06/2006 11:18)
Ny sangan'asa toy itony no andrasana amin'ny mpanoratra vao misandratra ankehitriny... tsy miady rima fotsiny, tsy kilalao teny fotsiny, fa ny misy izay nafenina na ny tsy misy noforonina. Ary ho antsika tanora dia tokony hahatakatra mandrakariva fa tsy ny fivaivain'ny hevitra nohon'ny fahatairana fotsiny no en-titsika mandoko ny tontolo tiantsika hanana endrika kanto, fa ny fipasoaha azy ireny halama tsara ao anatin'ny HEVITRA ANTITRA DIA ANTITRA, sakana lehibe io ary tsy ho tody amin'ny tanjona isika, raha tsy ialana ny raikitapisaka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01