You are here: home > Vetso

Fo Mitohy - Jean-Joseph Rabearivelo

Fo Mitohy

Raha lavitra azy hoe:

Toa lisy maina, toa raozy malazo,
Misento fa ory sy manina anao,
Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo?
Asa, tsy fantatra hatramin'izao.

Miofo ny loko, malazo ny taho,
Toa zary bozaka, tsy lisy intsony.
Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho,
Toa rivo-baratra tsy mba mitony

Miova ho fatana izany masoandro,
Ny rivotra koa manjary mamono:
Izany no fiainana maizina antoandro
Manolo-poizina izay mila ronono

Ny lira madinika, mozikan'Edena:
Izany tsy re, izany tsy misy;
Tsaroana fa singany irery ny tena,
Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy.

Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo!
Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia
Fa ketraka hoe ka tena mimalo
Ilay tsy eo anilany lavitra aty.

J.J. Rabearivelo

Hevitra mandeha

nikopol (13/03/2006 11:41:30)

Pissoa, nahita bokin'i Rabearivelo nga ianao ? lol

pissoa (13/03/2006 12:37:23)

An3, tsy mbola nahita zah :(

prosper15 (19/07/2015 17:41:46)

afa iany ny enjana e! mila ho voalazany tononkalony ny alahelo ateraka ny fitiavana!!!!

rajaonarimily (12/10/2016 12:45:15)

Tena mahavarina aho an 'ireo mpanotra ireo dia toa voasorany ao anaty asa sorany avoko ny fianan'ny olana @ ankapobeny indrindra fa ny tanora

Ajnal (12/07/2017 22:36:03)

Is an tens tiako ny asa-soratr'i JJ Rabearivelo sy ny tantarany ka asa na mba misy afaka manome lien afaka itedavana azy ve?
Ny fasako fasako iany
Fa ny foko di tsy mba izany
Fa ny fasako ivelan tan mantsy
De fitoeran'ny sento,tomany

Hametraka hevitra

Midira aloha