You are here: home > Vetso

NY ITIAVAKO ANAO - jean nalisoa ravalitera

Fa ny itiavako anao dia tsy takatra takarina
Ny itiavako anao dia tsy fantatra fantarina
Asa noho izaho,izaho?...Asa noho ianao ianao
Ny azo antoka dia izao:tiko tena tiko ianao!

Fa ny itiavako anao dia ny tsikinao, angamba?
Nefa raha ny tsiky ihany...,inona m nahajamba
Ny masoko teo anoloan'ny tsikin-tovovavy hafa?
...Ny itiavakn anao:ny fontsika mahay mitafa

Fa ny itiavako anao dia ny fitia atolotrao
Ny kapokapoka sy tsongo...Tiako ny eo anilanao
Nefa izany monja ve?Nahoana inao no nofidiko?

Ny lanitra no nanome ahy anao mba hotiaviko?
Ny lahatra no nahatonga anao ho antoky ny hoaviko?
Ny itiavako anao dia...Satria ianao no TIAKO!!

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : jean nalisoa ravalitera

Nampiditra : andriiamihajlahatra
Daty : 25/08/2018
Mpamangy : 439
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

vavaky ny tanora

Hametraka hevitra

Midira aloha