MITADY-JERY (JERY)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITADY
.
Mitady hamony indray 'lay raozy efa nalazo
Mitady hifoha indray 'lay fo efa natory
Mitady ratra indray,tsy fay ny efa nahazo
Tsy laitra hampiononina fa tsy hitia intsony
.
Mitady dia indray 'lay fo niverin-dalana
Mitady tomany indray 'lay maso mora
bongo
Mitady hiroso indray fa efa maka bahana
Tsy mety afa-po rehefa mbola tafajoro
.
Mitady ady indray 'lay fo kely sandry
Mitady hitamberina amin'ny efa nandrarana
Mitady diary indray ho fenoina tsiaro ratsy
Hamerina ny feriny hatrany ampiandohana
.
Mitady hitia indray r'ise 'lay fo mpamono
tena
.
JERY
page fb: Tononkalon'i JERY
--------
Rohy:
894 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 16/03/2017 03:01
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01