NIEZAKA (JERY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIEZAKA
.
Niezaka aho niala,nanadino anao hatrany
Fa moa ve nety nilamina ny foko hatramizao?
Ivelany aho mitsiky f'ao anatiko ao mijaly
Malahelo lava na dia tsy fantatrao
.
Niezaka aho nangina,ny any anatiko efa fanina
Ny endriko tsy rotitra?misy zavatra fonosiny
Iny arahabako iny,te hamihina raha ny marina
Fa miahotra fa sao...dia mifampidila fotsiny
.
Niezaka aho nikipy,tsy te hijery anao angamba?!
Toa maizina atoandro izao tontolo izao
Fa ny fo tsy hay toherina, mahiratra na jamban'
Ny fery sy ny ratra nozakainy noho ianao
.
Niezaka aho nitia,fa tsy anjara aloha ny antsika,
Dia veriveri-saina sy nikiry teny ihany
Toa misitery ho ahy ny ho avy sy ny sisa...
Hiafaran'ny sentosentoko na ho tsiky na ho
tomany
.
JERY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1824 1
Mpakafy: landryjery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 04/02/2018 15:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143