SETROKA (JERY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SETROKA

Ny setroka ateran'ny afo
Dia mijoro miakatra ambony
Fa ny rano araran'ny maso
Dia mikiky mandoaka ny fony

Ny setroka avoakan'ny afo
Zavom-be tsy hifankahitana
Fa ny rano voahangon'ny maso
Ranomasina sarotra hitäna

Ny setroka avelan'ny afo
Hanjavona tarafin'ny andro
Fa ny rano tsihifin'ny maso
Tsy ho ritra an-taonany maro

Ny setroka dindon'ny afo
Dia alon'ny filedaledany
Fa ny rano sisain'ny maso
Dia fanaovam-beloma ny tany

JERY

Page facebook: Tononkalon'i JERY
--------
Rohy:
1136 1
Mpakafy: landryjery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 14/06/2016 10:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143