You are here: home > Vetso

TSY INONA AKORY - JERY

TSY INONA AKORY
.
Tsy inona akory ity masoko mena
Fa fanadinoako ny lasako omaly
Hiezaka hikipy amin'ny sisa tavela
Ka handao anao aho na dia efa tsy satry
.
Tsy inona akory ity sento tsy miato
Fa ozona nafafin'ny rivo-niserana
Dinga-mihisatry ny fo efa katson'
Fery nalaky nihombo ampitoerana
.
Tsy inona akory izany ako any ho any
Fa fara-veloman'ny tia fa tsy tiana
Ho sasatra foana ny fo hitomany
Efa tsy anjara ka aleoko mangina
.
Tsy haninona akory...fa lasa aho malala a!!!
.
JERY

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : JERY


Nampiditra : landryjery
Daty : 11/09/2017
Mpamangy : 122
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY MISY
ALOHAN'NY
SORATRO
ANGAMBA
TSIAMBARA-TELO
MITADY-JERY
LASA
MANIRY...
SETROKA
DISO IANAO

Hametraka hevitra

Midira aloha