You are here: home > Vetso

TSY MISY - JERY

TSY MISY
.
Tsy misy...tsy misy hahazaka
Raha tia fa noratrain'
Fitaka mpandratra
.
Tsy misy...tsy misy hahazaka
Raha ilay tiana sy lalaina
No tantanan'olon-kafa
.
Tsy misy...tsy misy hahataty
Ny mijery diavolana
Eo ampamoizam-po
.
Tsy misy...tsy misy hahataty
Raha fo mba zatra niombona
No nizara anankiroa
.
Tsy misy...tsy misy hahasahy
Hilaza fa tsy maharary
Izany hilaozan'olon-tiana
.
Tsy misy...tsy misy ho'aho!!!
Ho takaitra mandramaty
F'io no faratampom-pahoriana
.
JERY
page fb: Tononkalon'i JERY

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : JERY


Nampiditra : landryjery
Daty : 10/09/2017
Mpamangy : 156
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY INONA AKORY
ALOHAN'NY
SORATRO
ANGAMBA
TSIAMBARA-TELO
MITADY-JERY
LASA
MANIRY...
SETROKA
DISO IANAO

Hametraka hevitra

Midira aloha