Indray Maraina izay... (Jinah MAHAZINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Ty vohitra eto 'ty, sy iry havoana iry,
Tiako sady mamiko, fa nolalainao...
Voatambatra ho sary, ho rakitra tadidy...
Ifamontoanantsika, ...
....indray andro any, ...."Lay Vohitry ny nofy"!

........saingy itsy hantsana itsy,
Manganohano lalina, tsirihi-mahafaninana, ...
no mampisarak'azy, tsy afak' ifandray....
...dia zary ventsoventso, ....
Velovelon'olon-tiana: tandinon'izy lasa...
...no hankafizantsika, 'Lay Vohitry ny nofy"!

.....an'eritreritro ao, antsainao lalandava....

Hany sisa tokintsika, indray maraina iny...
raha tohizako ny làlako, ...dia diavo koa ny anao,
..Fa hisy andro iray, manoatra noho izao;
Ifanolorantsika ny mamy nolalaina,
...sy reo ngidy nozakaina....
--Antokatranontsika: "Lay vohitry ny nofy"

Le Soleil 104, 19/08/12
Jinah MAHAZINA
--------
Rohy:
1968 0
Hevitra mandeha
hery ( 24/08/2012 07:01)
Ahatsiarovako boky iray tena tiako... Ilay vohitry ny nofy.

Fa misy antony manokana ve ilay teboka be dia be? Mety tsy maninona akory na tsy misy teboka aza.
kiriah ( 24/08/2012 10:07)
ED ANDRIAMALALA ve ry Hery ? , zah namaky an ity tnklo ty koa tonga dia tany no nalahan 'ny saiko.
zkzandrykely ( 26/08/2012 06:27)
Miarahaba anareo, dia misaotra amin'ny hevitre momba ny tononkalo!
Namaky ny Bokin'ny E.D Andriamalala "Ilay Vohitry ny nofy" aho fony kilasy famaranana (1994). Tiako ny idéologie itondrany azy satrie tena mifanindry an-dalana tamin'ny ireo làlana nodiaviko.
Azo ambara fa isan'ireo mpanonofy aho, manantena hoavy tongalafatra.
Misaotra e!

NB: "Indray maraina izay" dia tena vécu, niainana sady honofisina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jinah MAHAZINA
Nampiditra : zkzandrykely
Daty : 23/08/2012 10:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134