You are here: home > Vetso

DIA... - JNB

DIA...

Ilay masoandro nilentika
maizina tampoka teo ny volana,
dia...maizina ihany koa ianao ry tany,
ianao koa ry foko!
dia nangina nanarak'izany,
fa nankaiza sahady ny masoandro?
toa takonan'ny rahona ny volana?
maizina ny tany!
dia nangina teo ny foko tao aorinan'izany,
tsy nihaino ilay adala intsony ireo manodidina,
adala loatra hono ka izy tsy mila,
ireo vorona nihodina azy,tsy nisioka toy ny fanaony intsony,
ireo voninkazo nody niverina natory,nefa ve tsy efa ora fifohazany?
ilay adala a? nangina nanarak'izany
dia nahatsiaro ny adalany,dia nitomany
nefa akory tsy nanenina tamin'izany!

JNB

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : JNB

Nampiditra : james01
Daty : 19/09/2017
Mpamangy : 154
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Takariva
Alina indray
Rahoviana ihany?
Lasa
FANTATRO
HAY MOA!
Mba meteza re...
TSY TANKATRO
Ny lasako
Miangavy farany

Hametraka hevitra

Midira aloha