Niondrika izy (JNB)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niondrika izy androany
Ny tavany kotsan-tomany
Feno alahelo izany fony,
Indrisy, tsy misy afaka hampitony
Niondrika izy sady velon-tsento
Niondrika izy fa mampahory azy loatra ny eto
Niondrika izy fa takon-drahona ny masoandro
Ny mazava nanjary haizina tsy ho antoandro
Niondrika izy androany
Nahoana ary ny fony no ratrain'ny tomany?
Sa ve tsy maintsy izay no fiainana raha mbola eto an-tany?
Niondrika izy saingy mbola hitraka
Eny hitraka na androany mety tsy ho voafafa
--------
Rohy:
1083 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JNB
Nampiditra : james01
Daty : 28/10/2017 18:22
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01