NOFY (JNB)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofy ihany ve ny fiainana an-tany?
nofinofy miteraka vinany
nanofy aho hoe tsy hisy intsony ny tomany
nanofy aho hoe rahapitso ho foana izany!
dia mbola manofy foana aho hoe rahapitso ho ampy vola aminizay ato an-trano,
dia tsy hisy intsony ny fahasahiranana mampanotany
nanofy aho hoe ho itako izay olona izay
tsy fantatro izy fa ho mpifankatia izahay
manofy aho fa ho tonga amin'ny tanjona iriko
faly ny foko sy fanahiko fa tanteraka ny faniriako,
Nofy!fa iza moa ianao?
ianao lava izao no anatiko ao
raha toa re tsy ho tanteraka ireo asehonao,
dia miangavy,avelao ihany aho aminizao!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JNB
Nampiditra : JAMES01
Daty : 11/12/2017 18:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101