Raha mba fantany! (JNB)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba fantany ny tolona ao anatiko ao
raha mba fantany ny fijaliako izao
raha mba fantany fa tiako izy
eny!raha mba fantany fa mbola iriko izy
tiako izy saingy tsy natao ho ahy intsony,
tiako izy fa ny fony tsy amin'izany intsony
efa manan-tompo izy,
ka tsy afaka ny ho ahy intsony
raha mba fantany fa misy iray
iray mitia mangina aminay
raha mba fantany fa misy fo tsy laitra ampaginina,
misy fo te hitroatra hanantena azy foana,
misy fo minia tsy mahafantatra ny fananany tompo
raha mba fantany fa mijaly aminy ny foko!
--------
Rohy:
1215 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JNB
Nampiditra : james01
Daty : 19/10/2017 12:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142