You are here: home > Vetso

Rahoviana ihany? - JNB

Rahoviana vao ho foana ny sento sy tomany?
Nefa moa vao androany ve izany fantaniana izany?
Fantaniana foana mipetraka
Rehefa injao ka tsapa ny entana fa mavesatra
    Raha ny valiny?Misy ihany izany
    Saingy hanova ny androany ve ny fisainana an'izany?
    Nefa na ho voavaly na tsia izany fanontaniana izany
    Dia ny omaly foana ihany no androany
Rahoviana no ho foana ny fitiavan_tena
Ka ho foana ny fanimbana sy fampijaliana foana ireo tsy manan_kantenaina?
Rahoviana vao hanjaka ingahy fahamarinana
Ka hiala i tsy rariny,ka hivarina any Ampahamarinana?

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : JNB

Nampiditra : james01
Daty : 11/10/2017
Mpamangy : 256
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOFY
Rehefa injao
VERY
Nihondrik'izy
Ny antsika!
Raha mba fantany!
Takariva
Alina indray
Lasa
FANTATRO

Hametraka hevitra

Midira aloha