FITAKA (Joelsonhertina2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noterena mba hitia
Ilay fo naratra mafy
Nolazaina fa ho doria
Sy fitia ho mandramaty

Dia niezaka nitia
Nomena toky ho doria
Kanjo injay fa nisy tsara
Dia nolazainy f'efa tara

Dia injay aho nanontany
Fa mba inona no antony
Ka hoy izy: mandehana any
Fa lehilahy tsisy fotony

Dia nahondriko ny lohako
Ary nakipiko ny masoko
Fa efa hitako ilay soloko
Tsy mba hono fa imasoko

Dia lasa aho nandeha
Nody tamin'ny fahoriako
Izy anefa nirehareha
Nanakora ny fijaliako
--------
Rohy:
1302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joelsonhertina2
Nampiditra : joelsonheritiana2
Daty : 10/05/2017 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136