Arindriko ny foko (TM)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ireo fotoana niainako ny haizina noho ianao ry tiako
Nosembaninao rahona matevina ny anjara fifaliako
Dia tsy nosaininao ny mety ho voka-dratsin'ilay fitiavan-tena
Nanitsahinao tsy nisy hantra akory ny foko nanantena

Tsy tahotra, tsy henatra, toa zaza diso hanta
Tsy mba nanaiky diso, ny anao ihany no marina
Niraviravy tanana sy nanao tery vay manta
Mba handavoana ahy ilay mila tsy ho tafarina

Izato endrikao, moa va tsy anjely kely mahay mipitrapitra
Dia roboka aho nanaraka, tsy nisalasala na dia iray minitra
Nandefitra, nangina, nanindry fo, nijaly noho ny hetraketrakao
Toa tiana, toa tsy tiana, tsy nisy zava-matotra fa zary kilalao

Mivavaka mangina aho ny hanadino anao
Mba hiova ho fifaliana ireo sento sy toloko
Mangataka isan'andro hahazo hery vao
Handrindrina ny foko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1529 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TM
Nampiditra : tm
Daty : 03/10/2017 13:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142