Misy fotsiny (TM)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy andro malahelo, malomaloka manjombona
Misy andro falifaly, mahamirana ny saina
Misy andro mibaliaka, mankahery, mampiombona
Misy andro mampisaraka, mampiady, mampalaina.

Misy olona mitia, tso-po, mahay mizara
Misy olona mihazona ny soa ho azy irery
Misy olona mandefitra, mivoy ny toetra tsara
Misy olona natao ho mpanasitrana ny fery

Misy toerana mangina mpitahiry nofinofy
Misy toerana fadiana satria efa nahalavo
Misy toerana aleha hanalana ireo rofy
Misy toerana natokana hiderana ilay Avo

Misy andro iray nodiavina, niainana fahakiviana
Misy olona iray nandratra fo sy nampijaly
Misy toerana iray lasa natao tsy hiviliana
Fa izay ny fiainana e, fa atao izay hahafaly
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TM
Nampiditra : tm
Daty : 25/09/2017 08:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0276