Ny fanatanjahantena (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tanora, ry Tanora
Manaova fanatanjahan-tena
Aza misy ariana ny ora
Mba tsy ho tratry ny halemena

Ny tena mila tezaina
Koa manomana tena
fa mahasalama ny saina
Ny fanaovana fanatanjahan-tena

Aza de variana midoroka
Fa mba ampiasao koa ny vatana
MiandrandrĂ  mihitsy loka
Mba hisintona ireo namana

Raha misy te ho olo-malaza
Mandrosoa mifahara tsara
Ka ny anaranao ho re n'aiza n'aiza
Ho reharehan'ity gasikara

Tarito ny akama, ny havana
Ireo tsy mahay ampianaro
Fa mila famonjena ny tanĂ na
Koa dia mila anao ny maro

Miezaha hatrany mba hijoro
Fa adidy eo amin'ny fiaraha-monina
Ny ezaka ataonao tsy hikoro
Ho foana ho azy ny zava-mahadomelina
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1235 1
Mpakafy: Lepetitbeau
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 04/08/2005 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142